<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Tompo o! Tariho FFPM448</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo ô ! tariho
 Ny ondrikelinao,
 Tantano sy vimbino
 Hanao ny sitrakao ;
 Raha misy hafaliana,
 Dia taomy mba ho tia ;
 Raha sendra fahoriana,
 Sakano tsy hania :
 Ry Jeso ô ! tazano
 Ny lalanay izao,
 Tariho sy tantano
 Ho ao am-balanao ;
 Anio dia mikasa
 Hanolo-tena koa,
 Fa nenina ny lasa
 Hiezaka tokoa.

[V2]
 Anio ho hafaliako,
 Ny foko lasanao,
 Ny maminao no tiako,
 Hatao ny sitrakao,
 Ny androko rehetra,
 Atolotro Anao ;
 Anao tsy misy fetra,
 Ka raiso, anjakao :
 Ry Jeso ô ! tazano .. sns.</lyrics>
<hymn_number>448</hymn_number>
</song>